๐—™๐—”๐—ก๐—”๐— ๐—”๐—™๐—œ๐—ฆ๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—ฅ๐—”๐—™๐—œ-๐—ฃ๐—”๐—›๐—”๐—ฆ๐—”๐—Ÿ๐—”๐— ๐—”๐—ก๐—”: ๐—ก๐—”๐—›๐—”๐—ญ๐—ข ๐—š๐—˜๐—ก๐—˜๐—ซ๐—ฃ๐—˜๐—ฅ๐—ง ๐—ก๐—ฌ ๐—–๐—›๐—ฅ๐—ฅ ๐—™๐—”๐—ฅ๐—”๐—™๐—”๐—ก๐—š๐—”๐—ก๐—”

 

Notoloran’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombon’antoka aminy ยซย GenExpertย ยป vaovao ny laboratoara ao amin’ny CHRR Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana.

 

Ankoatra ny fitiliana ny covid-19, dia maro ireo aretina azo tiliana amin’ny alalan’ny

ยซย GenExpertย ยป.

 

Tombony lehibe ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana araka izany ny fahazoana izao fitaovam-pitiliana manarapenitra izao, izay ahafahana mitily sy mandray an-tanana mialoha ny tranga ary misoroka ny fiparitahan’ny valanaretina.

 

Mialoha ny fanatanterahana ny hetsika ยซย Cliniques Mobilesย ยป mitety vohitra tao amin’ny Distrikan’i Farafangana no nanoloran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny fomba รดfisialy izao fampitaovana lehibe izao.

 

Nanome voninahitra izany ireo Olomboafidy sy Manampahefana isan-tsokajiny any an-toerana izay nahitana an’ Andriamatoa Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Ramatoa Solombavambahoakan’i Farafangana, ary Andriamatoa Talen’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Atsinanana.

 

SCM/DIRCOM-MSANP