โญ• Maro amin’ireo Mpiasan’ny fahasalamana any amin’ny faritra saro-dalana no voatery mandeha an-tongotra kilometatra maro, manao ny asa fitsaboana sy fiarovana ny vahoaka eny ifotony. Kanefa dia tsy mitarai-tana-miepaka izy ireo amin’izany.
โญ• Tsapan’ny Fitondram-panjakana ny ezaka sy ny asa mbola miandry, ka taminโ€™ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombonantoka avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, no nanomezana tohana ho azy ireo : moto 55 ho anโ€™ireo Chef CSB ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, ary 69 ho anโ€™ny ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, izay Faritra anatanterahana ny Tetikasa FAFY (Fanjariantsakafo sy Fahasalamana eny ifotony).
โญ• Tsy izay ihany fa novatsiana farafara sy kidoro, miampy ยซ tensiomรจtre, saturomรจtre, stรฉthoscope, table d’accouchement, table gynรฉcologique ยป mitentina an-tapitrisany dรดlara ihany koa ireo CSB ao amin’ireo Faritra roa ireo, ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka araka ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA.
โœ…Ny Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka no nanolotra ireo tamin’ny fomba ofisialy ny 07 sy 08 Aprily 2022, notronin’ireo olomboafidy sy manam-pahefana ao aminโ€™ireo Faritra roa ireo, ary ny Mpiara-miombonantoka.
๐Ÿ™ Nankasitraka ny Fitondram-panjakana ireo olomboafidy sy ireo manam-pahefana tany an toerana. Tsapa fa mipร ka ety amin’ny Vahoaka ety ifotony hoy izy ireo ny asa fampandrosoana sy fampivoarana ny fahasalamam-bahoaka.
๐Ÿ“ธ: SCM/DIRCOM-MSANP
ร _