✅ Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka ho fanatanterahana ny Velirano fahadimy teboka faharoa. Anisan’ny voakasik’izany ny mikasika ny famatsiana « oxygène » eny anivon’ireo Hopitaly lehibe manerana ny Nosy.
✅ Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany Zoma 15 Aprily 2022, ny Tetikasa « BRING O2 » izay iarahan’ny Fitondram-panjakana Malagasy 🇲🇬 amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombon’ antoka izay ahitana ny ONG PIVOT, ny Build Health International ary ny Partners in Health.
⭕ Ny Unitaid kosa no mamatsy vola ny Tetikasa.
🎯 Tanjona ny hampitomboana ny fahaiza- mikirakira « oxygène » ary mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny famatsiana fitaovana ilaina amin’ny fitsinjarana azy mba tsy hisian’ny fahatapahana amin’ny famatsiana ireo olona mila « oxygène » eny anivon’ny Hopitaly.
🎯 Eo ihany koa ny fampiofanana sy fanamafisana ny traikefan’ireo teknisiana mpikirakira izany.
✅ Tombony lehibe ho an’ny Vahoaka ny fisian’ny Tetikasa toy izao, na misy na tsia ny valanaretina Covid-19 araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY androany teny amin’ny CHUJRA Ampefiloha.
📸: SCM/DIRCOM-MSANP