โœ… Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka ho fanatanterahana ny Velirano fahadimy teboka faharoa. Anisan’ny voakasik’izany ny mikasika ny famatsiana ยซย oxygรจneย ยป eny anivon’ireo Hopitaly lehibe manerana ny Nosy.
โœ… Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany Zoma 15 Aprily 2022, ny Tetikasa ยซย BRING O2ย ยป izay iarahan’ny Fitondram-panjakana Malagasy ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombon’ antoka izay ahitana ny ONG PIVOT, ny Build Health International ary ny Partners in Health.
โญ• Ny Unitaid kosa no mamatsy vola ny Tetikasa.
๐ŸŽฏ Tanjona ny hampitomboana ny fahaiza- mikirakira ยซย oxygรจneย ยป ary mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny famatsiana fitaovana ilaina amin’ny fitsinjarana azy mba tsy hisian’ny fahatapahana amin’ny famatsiana ireo olona mila ยซย oxygรจneย ยป eny anivon’ny Hopitaly.
๐ŸŽฏ Eo ihany koa ny fampiofanana sy fanamafisana ny traikefan’ireo teknisiana mpikirakira izany.
โœ… Tombony lehibe ho an’ny Vahoaka ny fisian’ny Tetikasa toy izao, na misy na tsia ny valanaretina Covid-19 araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY androany teny amin’ny CHUJRA Ampefiloha.
๐Ÿ“ธ: SCM/DIRCOM-MSANP