Asabotsy 23 Aprily 2022
⭕ Fidinana ifotony notanterahan’ny Delegasiona zay tarihan’ Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY nijery akaiky ny zava-misy momba ny rafi-piantohana ara-pahasalamana ifotony na « mutuelle de santé communautaire ».
✔️ Ny Fitondram-panjakana 🇲🇬 ankehitriny amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hotronin’ireo Mpiara-miombon’ antoka dia tsy mitsahatra mikatsaka sy mametraka ireo lamina sy paik’ady rehetra ahatratrarana ny tanjona momba izany fanamby lehibe izany.
⭕ Ary nijery ny fandraisana andraikitra ataon’ ny fokonolona amin’ny fitsinjovana ny fahasalamana, amin’ny famoronana rafi-piantohana ara-pahasalamana ifotony na « mutuelle de santé communautaire ».
🎯 Mpikambana amin’ny VSLA 9 fokontany amin’ny fokontany 11 no nivondrona nanomboka ny volana novambra 2021 ary nanohy ireo ezaka efa vita tamin’ny taona 2019.
✔️ Tsapa fa mitsinjo sahady ny fandraisana an- tanana ny fahasalamana ny vahoakan’Antsahanoro amin’ny fandoavana latsakemboka mialoha hisorohana ny mety ho fahasahiranana na fivarotana fananana rehefa marary.
👉 Hatreto dia eo amin’ny CSB aloha no voasahan’ izany fiantohana izany.
⭕ Fahasalamana ho an’ny daholobe tsy ankanavaka na aiza na aiza no misy azy eto Madagasikara no Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA tamin’ny vahoaka Malagasy, ary tsy anavahana sokajin-taona io, na sokajin-tsaranga.
⭕ Mirindran-dalana amin’ny politikan’ny Fanjakana araka izany ny firosoana amin’ny fametrahana rafitra izay miahy ny ara-pahasalamana toy izao.
Paikady iray mahomby ihany koa ahafahana mitsinjo ny fahasahiranana sy ny fahazoana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao.