Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia faly miarahaba ny Rasazy rehetra manerana ny Nosy nahatratra ity andro anio ity ary mirary anareo hahavita be hatrany amin’ny fampivoarana ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza eto Madagasikara.
Any Fianarantsoa renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony no ivon’ny fankalazana ofisialy nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity izay nomarihana tamin’ny hetsika maro isan-karazany nandraisan’ ireosolotenan’ ny faritra 23.
Tomponandraikitra maro avy eto anivon’ny Ministera no manome voninahitra izany, izay misolotena an’ Andriamatoa Minisitra Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY.
——–
——–