๐ŸŽฏ Tanjona ankapobenโ€™ny Tetikasa ny hampihenana ho 30% ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka izay miteraka fahataran’ny fitomboana ho an’ny Zaza latsaky ny roa taona.
โœ…๏ธ Ny fampitomboana ny fampiasana ireo tolotra mikasika ny fanjariantsakafo sy ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza ary ny fahasalamana ara-pananahana eny anivon’ny Tobimpahasalamana fototra (CSB 2) sy Toby FAFY no anisan’ny paikady entina hanatrarana izany , izay mifanindran-dalana rahateo amin’ny Velirano fahadimy, teboka voalohany.
โœ…๏ธ Hiditra amin’ny andiany faharoa ny Tetikasa ary nisy ny atrikasa ho fanomanana izany, izay tanterahina nanomboka omaly hatramin’ny Zoma 26 Aogositra 2022 ao Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra.
โœ…๏ธ Mandray anjara amin’izao atrikasa izao avokoa ireo Tomponandraikitra eto anivon’ny Ministera foibe sy eny anivon’ireo Fitaleavam-paritra izay miantsehatra amin’ny Tetikasa.
โญ•๏ธ Ireo Faritra 09 misitraka ny Tetikasa FAFY: Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Bongolava, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany.
โญ•๏ธ Ireo faritra 04 hisitraka ny Tetikasa manomboka ny taona 2023:
Atsinanana, Androy, Atsimo Atsinanana, Anosy.
๐—ง๐—ฒ๐˜๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ ๐—™๐—”๐—™๐—ฌ: ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ท๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ณ๐—ผ ๐˜€๐˜† ๐—™๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐—ณ๐—ผ๐˜๐—ผ๐—ป๐˜†.
———–
@Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola
Power of Nutrition
๐Ÿ“ธ: SCM/DIRCOM-MSANP