« Aleo misoroka toy izay mitsabo », anisan’ny vaindohan-draharahan’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamana ny hiaro ny vahoaka amin’ny valanaretina. Fomba iray entina manatanteraka izany ny fanaovana vaksiny. Antoka lehibe mampahomby ny vaksiny ny fanajana ny fenitry ny fitahirizana azy na « Chaine de froid ».

Araka izany, vata fampangatsiahina fitahirizana vaksiny mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 404 no naparitaka manerana ireo Tobim-pahasalamana fototra eto Madagasikara. « Malagasy salama » ary « Madagasikara mandroso » izay no tanjona iraisana, izay salama tokoa no afaka mamokatra, mandray anjara mavitrika amin’izany ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiaramiobonantoka aminy.

Efa tafapetraka soa aman-tsara eny anivon’ireo Tobimpahasalamana fototra (CSB) ankehitriny ireo vata fampangatsiahina fitahirizana vaksiny ireo koa entanina isika rehetra hahay hikolokolo sy hikajy ny fananana iombonana toy ireny, hitondra fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka.

Cliquez le lien VIDEO DOTATION 404 FRIGO SOLAIRE