Vonona tanteraka ny ekipan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hisahana ny fiarovana ara-pahasalamana mialoha, mandritra ary aorian’ny fihaonanan’ny BAREA MADAGASIKARA sy ny Elefantan’i Cote d’Ivoire rahampitso tolakandro ao amin’ny Stadium Barikadimy Toamasina.
Na dia eo aza ny fientanam-pontsika mianakavy miatrika izao lalao goavana izao, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manentana antsika mandrakariva hanaraka ireo fepetra fototra noraisin’ny Fitondram-panjakana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina « covid-19 ».
 
Sary: FMF (https://www.facebook.com/FederationMalagasyFootball)