Ho fampiharana ny toromarika avy amin’ Andriamatoa Filoha Andry RAJOELINA mikasika ny fanarahamaso ny fahasalaman’ireo olona mivezivezy amin’ny alalan’ny zotram-piaramanidina anatiny dia tonga nijery ny fanatanterahana izany teny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato, Andriamatoa Ministra ny fahasalamam-bahoaka androany.

Mandalo fitiliana avokoa ireo mpandeha alohan’ny hiaingana, toy izany koa ireo mpandeha izay tonga. Marihana fa ao anatin’ny 15 minitra fotsiny dia efa fantatra ilay olona na efa nifampikasoka tamin’ny covid-19 na tsia.

Miroso hatrany amin’ny fanatsarΓ na ny ady amin’ny covid-19 araka izany ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary tsy mikely soroka amin’ny fanohizana ny ady na dia efa mihena aza ireo tranga vaovao.

𝐈𝐬𝐒𝐀𝐚 𝐫𝐞𝐑𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐜𝐨𝐯𝐒𝐝-πŸπŸ—π’

𝐚𝐫𝐲 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐒𝐑𝐚𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚: π’π‚πŒ/𝐃𝐒𝐫𝐂𝐨𝐦-πŒπ’π€ππ