
Ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eto Madagasikara dia nisy ny fanofanana ireo Mpitantana ny Hopitaly izay tanterahina ao amin’ny INSPC Mahamasina, nanomboka ny talata faha 02 Novambra 2021 ka hifarana ny Sabotsy faha 06 Novambra izao.

Anisan’ny nisitraka izany ireo Talen’ny Hopitaly lehibe (CHU) rehetra manerana ny Nosy. Ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka dia tsy mitsahatra ny manatsara hatrany ny kalitao ny tolotra ara-pahasalamana ahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka fitsaboana mendrika eny anivon’ny Hopitaly.