πππ¬ ππ ππ‘βπ‘π¬ π©ππππ‘ππ₯ππ§ππ‘π ππ’π©ππ-ππ΅: π‘ππ§π’π ππ’ππ ππ‘ππ₯π’ππ‘π¬ π‘π¬ πππππ₯ππ‘π ππ©π’ π§ππ πππ©π¬ ππ’ ππ‘βπ‘π¬ πππ₯ππ§π₯π ππ‘ππππ ππ‘ππ
par | 1 DΓ©c 2021 | ActualitΓ©s, Coronavirus, Nos rΓ©alisations |

Manoloana ny fiakaranβny isanβny olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ato aminβny Faritra Analamanga sy ho fisorohana ny fiparitahanβny valanaretina, ny Fitondram-panjakana aminβny alalanβny Ministeranβny Fahasalamam-bahoaka sy ny ekipanβny DASP eo anivonβny Fiadidiana ny Repoblika dia manatanteraka fizarana CVO Tambavy ho anβny Fokontany 4 eto Antananarivo Renivohitra (Ivandry, Fiadanana, Ambatobe, Ambohipo) sy Fokontany 4 ao aminβny Distrikanβ Ambohidratrimo (Ambohibao, Talatamaty, Amboropotsy, Ambohidratrimo) izay natomboka androany teny aminβny Fokontany Ivandry.

Olona 18 taona no ho mihoatra maherinβny 32.088 no hisitraka fiarovana ara-pahasalamana mivantana vokatrβizao hetsika izao. Ny CVO Tambavy izay voamarina ara-tsiansa fa mampitombo ny hery fiarovana ary manampy betsaka aminβny fiatrehana ny valanaretina covid-19.

Ny Fitondram-panjakana ankehitriny sy ny Ministeranβny Fahasalamam-bahoaka dia eo anilanβny Vahoaka hatrany ary midina isan-tokantrano, isam-baravarana miaraka aminβireo tomponβandraikitra isam-pokotany aminβny fanatanterahana izany.

SCM/DIRCOM-MSANP