𝗔𝗗𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗖𝗢𝗩𝗜𝗗-𝟭𝟵 : 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗜 𝗦𝗔𝗜𝗡𝗧𝗘 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗘

 

Nidina ifotony nijery ny fanamafisana ny fanarahamaso ara-pahasalamana eny anivon’ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo ao amin’ny Disitrikan’i Sainte Marie, Faritra Analanjirofo ny delegasiona avy eto anivon’ny Ministeran ‘ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihan’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY ary notronin’ireo Olomboafidy sy Manampahefana isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Analanjirofo, izay nahitana ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Sainte Marie, Andriamatoa Préfet, ny Ben’ny tananan’ny Kaomina Ambonivohitra Sainte Marie ary ireo Mpiara-miombon’antoka avy amin’ny OMS Madagascar. Tanjona ny iarovana ny vahoaka manoloana izao valanaretina izao. Ny distrikan’i Sainte Marie izay isan’ireo distrika ifaneraseran’ireo Mpizahan-tany avy eto an-toerana na avy any ivelany.

 

Nandritra izao diany izao ihany koa dia nisy ny fivoriana arahina asa izay niarahany tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo nijerena manokana ny mikasika ny tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe izay teboka fahatelo ao anatin’ny Velirano fahadimin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA. Ny distrikan’i Sainte Marie izay isan’ireo voafidy hanatanterahana izany.

 

Raha tsiahivina dia nanomboka ny taona 2015 ny Governemanta Malagasy no efa nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fanatontosana ny Paik’ady Nasionaly mikasika ny tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe. Ny tanjona dia ny hanamaivanana ny fahasahirana ara-bola ateraky ny tsy fahasalamana ary tsy ho sakana amin’ny fisitrahana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ny mety fahasahiranana ateraky ny tsy fahasalamana tampoka, amin’ny alalan’ny fanaovana latsak’emboka mirary ary takatry ny rehetra.

Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona.

 

Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka

Cellule d’Appui à la mise en oeuvre de la Couverture Santé Universelle

OMS Madagascar

 

SCM/DIRCOM-MSANP