Ambohidahy, Alatsinainy 17 janoary 2022
𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀N-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀
Tahaka ny fanaony isaka ny fiandohan’ny herinandro, dia misy hatrany ny toromarika apetraky ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Prof RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
Mavesatra ny asa miandry amin’ity taona ity fa ny fiomanana no entina miatrika izany, ao anatin’ny fandrafetana ny drafitr’asa 2022 ny rafi-pitantanana rehetra eto amin’ny Ministera amin’izao volana fisantarana ny taona vaovao izao.
Mihena ny mararin’ny Covid-19 eny anivon’ny CTC-19, hita taratra ny fahombiazan’ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa eo anivon’ny Ministera manerana ny Nosy, tratra ny tanjona 1 000 000 ny olona vita vaksiny fanefitra covid-19, naneho fisaorana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay tsy mikely soroka amin’ny fanatanterahana ny adidy amin’ny firenana Andriamatoa Minisitra, mankasitraka hoy izy ny amin’ny fanentanana amin’ny fiarovana, ny fitsaboana ary firotsahana an-tsehatra amin’ity ady amin’ny valan’aretina ity.
Nanentana ny tsirairay hatrany Andriamatoa Ministra amin’ny fitandrovana sy fanamafisana ireo fihetsika fiarovan-tena amin’ny valanaretina Covid-19, sy ny tokony hanatonana tobim-pahasalamana haingana raha sanatria misy soritraretina, mba tsy hananosarotra ny fandraisana an-tanana.