Ny « SILOP » na « Service des Infrastructures, de la Logistique et du Patrimoine » dia sampandraharaha iray eo anivon’ny Fitaleavana misahana ny raharaham-pitantanana sy ara-bola (DAAF) eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Eo Tsaralalàna, anilan’ny « Hotel des Polices » no misy ny biraon’ny « SILOP ».
Raha bangoina amin’ny ankapobeny izany dia ity sampandraharaha izay ahitàna mpiasa maherin’ny 50 ity no miandraikitra ny fitantanana sy ny fikojakojana ireo fananan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Tontosa omaly 11 Febroary 2022, ny famindram-pitantana teo amin’ny Lehiben’ny Sampandraharaha teo aloha, Andriamatoa Jocelyn RATSIMBA sy ny Lehiben’ny Sampandraharaha vaovao, Andriamatoa ANDRIANARISON Jean Aimé Botosera.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana, Andriamatoa Tsihory RAHARISON, DAAF eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM-MSANP
