πππ‘ππ ππππ¦ππ‘π π‘π¬ π₯πππ-π£ππππ¦ππππ ππ‘π: π‘πππππ’ πππ‘ππ«π£ππ₯π§ π‘π¬ πππ₯π₯ πππ₯ππππ‘πππ‘π
Notoloran’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombon’antoka aminy « GenExpertΒ Β» vaovao ny laboratoara ao amin’ny CHRR Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana.
Ankoatra ny fitiliana ny covid-19, dia maro ireo aretina azo tiliana amin’ny alalan’ny
« GenExpert ».
Tombony lehibe ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana araka izany ny fahazoana izao fitaovam-pitiliana manarapenitra izao, izay ahafahana mitily sy mandray an-tanana mialoha ny tranga ary misoroka ny fiparitahan’ny valanaretina.
Mialoha ny fanatanterahana ny hetsika « Cliniques MobilesΒ Β» mitety vohitra tao amin’ny Distrikan’i Farafangana no nanoloran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny fomba Γ΄fisialy izao fampitaovana lehibe izao.
Nanome voninahitra izany ireo Olomboafidy sy Manampahefana isan-tsokajiny any an-toerana izay nahitana an’ Andriamatoa Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Ramatoa Solombavambahoakan’i Farafangana, ary Andriamatoa Talen’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Atsinanana.
SCM/DIRCOM-MSANP