✅ Mitohy ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny Fampitaovana ireo Tobimpahasalamana 🏥 miankina amin’ny Fanjakana ho fanatanterahana ny Velirano fahadimy teboka faharoa dia ny fanatsarana ny kalitaon’ny Tolotra ara-pahasalamana omena ny Vahoaka.
✅ Isan’ireo nisitraka izany ny CHRD II Manakavaly ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana, Faritra Analamanga izay novatsiana « Groupe éléctrogène » vaovao.
✅ Nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy taorian’ny Fambolen-kazo ny Alakamisy 31 Martsa 2022 lasa teo ny Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.
✅ Nandritra izany dia nitondra teny fisaorana ny Fitondram-panjakana ny Lehiben’ny Hopitaly satria manamora ny fanatanterahan’izy ireo ny asa fandidiana eo anivon’ny CHRD II Manakavaly izao fampitaovana izao.
📸: SCM/DIRCOM-MSANP
+5