Ho fanatsarana ny tolotra fahasalamana ho an’ny vahoaka, mpianatra miisa 24 avy amin’ny faritra maro manerana ny nosy no nahazo fiofanana mahakasika ny « Échographie obstétricale communautaire » teny anivon’ny Ivotoeram-mpianarana momba ny fahasalamam-bahoaka sy ny fiarahamonina na « Institut National de Santé Publique et Communautaire » .

Nanomboka ny 17 septambra ka hatramin’ny 23 Oktobra 2019 ny fiofanana ka notanterahana anio ny lanonana ofisialy namoahana azy ireo. Araka izany, afaka miverina avy hatrany mamonjy ny toeram-piasany avy ireo voaofana ireo hizara sy hampihatra ny fianarana norantovina ho tombontsoan’ny rehetra. Ilaina tokoa ny fisian’izy ireo eny anivon’ny distrika niaviany avy satria manampy ny mpitsabo amin’ny fandraisana an-tànana ny fahasalaman’ny reny mitondra vohoka sy ny zaza ao an-kibony.

Fanamby napetraka ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka rahateo ny fampihenana haingana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza koa vaindohandraharaha noho izany ny fanarahamaso akaiky ny fitondrana vohoka ahazoana misoroka izay mety ho fahasarotana hitranga.
Marihana moa fa mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ary mpiasan’ny fahasalamana manana fahaizana manokana amin’ny fikirakirana fitaovam-pitarafana (manipulateur radiographie) ireto nisitraka ny fiofanana ireto.