Raha nahatsikaritra isika rehetra dia niakatra ny hafanana teto amintsika tato ho ato na atoandro io na alina. Manoloana izany indrindra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia mampatsiahy antsika fa mety hiteraka fahasahiranana ara-pahasalamana ny hafanana be loatra toy izao.

Ireto ary misy fihetsika tsara atao manoloana izany :

• Misotro rano matetika, fadiana ireo zava-pisotro mamy loatra na mangatsiaka loatra.
• Fadiana ireo zava-pisotro misy alikaola sy misy « caféine ».
• Vao maraina dia sokafana ny varavarankely hidiran’ny rivotra hanamaivana ny hafanana ao an-trano, ary rehefa tonga ny taratry ny masoandro dia asio rideau na takona.
• Hidina ny varavaran-kely amin’ny fotoana mampiakatra be ny maripana amin’ny atoandro
• Mijanona amin’ny toerana maloka sy mangatsiatsiaka
• Miankanjo maivana, mazava ary tsy teritery
• Tsy hajanona anaty fiara mihidy ny ankizy na olona efa nahazo taona
• Misakafo ara-dalàna
• Lanjalanjaina ny fampiasam-batana
• Mandro matetika

Azontsika atao koa ny miantso maimaim-poana ny 910 ahazoana torohevitra ara-pahasalamana.

#Fahasalamana_ho_an_ny_rehetra_tsy_ankanavaka
#Ministeran_ny_Fahasalamana_manakaiky_hatrany_ny_vahoaka.

Source: SCM / Dr Lanto RABEMANANJARA