Mitohy hatrany ny ezaka sy ny tetikasa volavolain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka iadiana amin’ny aretina bongabe, ongobe ary bilarziozy. Isan’ny tanjona sy fanamby napetraka ny hanafoanana ireo aretina ireo.

Notanterahina androany faha 27 Desambra 2019 tao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fivoriana izay notarihin’Andriamatoa Sekretera Jeneraly, mahakasika ny fanomanana amin’ny fizarana fanafody faobe iadiana amin’ireo aretina ireo ary koa ireo kankana mipetraka ao anaty tsinay.

Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ary mpiara miombonantoka maro no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ity tetik’asa ity.