12 MAY: ANDRO IRAISAMPIRENENA HO AN’NY INFIRMIERA

Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia miarahaba ireo Infirmiera rehetra manerana an’i Madagasikara.

Mankasitraka ihany koa ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fikarakarana ny Fahasalaman’ny vahoaka. Raha ny eto amintsika manokana dia maro amin’izy ireo no miandraikitra ireny Tobim-pahasalamana fototra ireny (CSB), misy amin’izy ireo ihany koa no mandray anjara amin’ny fitantanana.

Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia tsy mitsahatra mikaroka izay hanatsarana hatrany ny tontolo misy azy ireo, na eo amin’ny sehatry ny fanofanana izany na eo amin’ny sehatry ny asa.