Nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Fikambanam-behivavy « RARY » amin’izao ady atrehan’ny firenena amin’ny valanaretina « Coronavirus » izao.

Nanolotra arotava miisa 5000, arotanana miisa 3000, mitentina eo amin’ny 20 000 000 Ariary eo izy ireo, ho fampitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana ahafahany miaro tena sy manatanteraka am-pilaminana ny andraikitra goavana sahanin’izy ireo.

Mankasitraka ny Fikambanam-behivavy « RARY »

Manentana antsika vahoaka hanaraka hatrany ny fepetra hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina.
#Arovy_ny_tenanao
#Arovy_koa_ny_hafa