Tonga nitsidika sy nanao ny tomban’ezaka teny amin’ny « Centre Médical COVID-19 » eny Andohatapenaka, sy ny « LA2M » teny Androhibe ny ekipa avy eto amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana ny Asabotsy 04 Jolay 2020, izay notarihan’Andriamatoa Minisitra.
Nandritra ity fidinana ifotony ity dia nitondra fanazavana momba ireo lamina napetraka amin’ireto ivontoerana ireto ny avy eto amin’ny Minisitera, ka tao anatin’izany dia fantatra fa misy « section » roa ny eny amin’ny « CMC » dia ny « section dépistage » sy ny « section essai clinique ».
Tao anatin’ny tomban’ezaka izay natao dia nilazana Andriamatoa Minisitra fa mila ampiana olona ny eny amin’ny « LA2M » Androhibe, ka dia hisy arak’izany « technicien de laboratoire » sy « médecin biologiste » hanampy ireo efa amperin’asa araka ny fangatahan’ny Tompon’andraikitra eny antoerana.