« Radiographie numérique, Concentrateur d’oxygène, Masques chirurgicaux, Masques FFP 2, Surblouses, Gants, Lingettes » ilaina amin’ny fikarakarana marary sy amin’ny fiarovana ny mpiasan’ny fahasalamana no natolotry ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Manampahefana maro tany an-toerana no nandray izany tamin’ny fomba ôfisialy, anisan’izany andriamatoa Talem-paritra ny Fahasalamana ao Melaky.

Mankasitraka ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny any an-toerana raha ny fampitambaovao voaray avy amin’ andriamatoa Talem-paritra ny Fahasalamana ihany. Nanantitrantitra moa izy ireo fa ho ampiasaina amin’ny tokony ho izy ireto fitaovana vaovao ireto.