Tonga nijery ireo Toerana natao handraisana ireo marary ahiana ho voan’ny « Covid-19 » tany Toamasina ny Alahady 08 Novambra lasa teo ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihin’ Andriamatoa Minisitra, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis.
Nanotrona azy tamin’izany ireo manampahefana tany an-toerana izay nahitana an’ Andriamatoa Préfet, Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny faritra ary Ramatoa Talen’ny Fari-piadidiam-pahasalamana Atsinanana.
Sarobidy ny Fahasalamam-bahoaka, tsy manao ambanin-javatra izany ny Ministera, tohizana hatrany ny fiaraha-mientana amin’ny fanarahamaso ireo tranga sy ny fikarakarana ireo marary hoy Andriamatoa Minisitra nandritra ny fihaonana niarahana tamin’ireo Tomponandraikim-panjakana isan-tsokajiny tany an-toerana.
Sary sy fampitam-baovao : DRSP Atsinanana