Manao tohy vakana ireo mpiara-miombonantoka maneho ny fahavononany hiara-hiasa hatrany amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tonga nanao fitsidihana ombam-panajana sy niarahaba an’Andriamatoa Ministra ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis teto amin’ny Birao fiasany Ambohidahy, androany faha-9 novambra 2020, ny Ambasadaoron’ny Japana izay miasa sy monina eto Madagasikara, SEM YOSHIHIRO HIGUCHI.

Nivoitra nandritra izao fihaonana izao ny fijerena ireo fiaraha-miasa rehetra misy eo amin’ny firenena roa tonta na ny an-dàlam-pahavitàna izany ary indrindra ireo mbola ho avy. Nisaotra ny Firenena Japoney Andriamatoa Ministra tamin’ny anjara biriky lehibe nentiny manoloana ny ady amin’ny « covid-19 ». Nanamarika ny Ambasadaoro Japoney fa nahomby ny paikady nentin’ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka niatrehana ny valanaretina.
Maro ireo Tetikasa iarahan’ny Fanjakana Malagasy sy ny Governemanta Japoney miasa, anisan’izany ny Tetikasa TOLISABO II izay haharitra hatramin’ny volana martsa 2021, izay natao hitsinjovana ireo vehivavy sy tanora iharan’ny herisetra ara-nofo any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara iny. Eo ihany koa ny fanampiana amin’ny alalan’ny fampitaovana foto-drafitrasa ara-pahasalamana.
Nohamafisin’Andriamatoa Minisitra nandritra izao fihaonana izao fa ireo fiaraha-miasa rehetra hiarahana amin’ny Mpiara-miombonantoka manomboka izao dia tokony hipàka mivantana any amin’ny sôsialim-bahoaka hahazoan’ny tsirairay, isam-batan’olona tolotra ara-pahasalamana mendrika araka ny velirano fahadimin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny.
Sary sy Fanadihadiana: DirCom/SCM – MSANP