Notanterahina nanomboka omaly ary hifarana rahampitso 12 novambra 2020 ao amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina ny fivoriana fanaon’ny « CTR » ao anatin’ny « réseau SEGA /COI ».
Fivoriana fanao isan-taona izay andraisan’ireo teknisianina misahana ny fahasalamana eny amin’ny seranana sy ny sisi-tany eto amin’ny Ranomasimbe indiana anjara. Anisan’izany ny avy eto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny « DVSSER » sy ny « INSPC ».
Firenena dimy (05) no mandrafitra ny « réseau Sega », izay ahitana antsika eto Madagasikara, ny Nosy La Réunion, Seychelles, Maorisy ary Kaomôro.

Tanjon’izao fivoriana izao ny fifampizarana fahalalana sy traikefa hanamorana ny fiatrehana ny valanaretina. Noresahana manokana nandritra ny andro voalohany omaly ny ady amin’ny valanaretina « Covid-19 » sy ireo paikady nentin’ny firenena tsirairay niatrika izany. Nisongadina ny fahombiazana azontsika malagasy vokatry ny paikady noraisin’ny Fitondram-panjakana na teo amin’ny fanarahamaso izany (Surveillance épidémiologique) na teo amin’ny fandraisana an-tanana ireo tranga (Riposte) araka ny nambaran-dRamatoa Talen’ny DVSSER izay isan’ireo misolotena ny Ministeran’ny Fahasalamana mandritra izao fivoriana izao.

Sary sy fanadihadiana: Dir Com/SCM-MSANP