Ny hanome fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka no tanjon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Tsy mitsaha-mikaro-bahaolana amin’ny fomba hanatanterahana izany ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombonantoka aminy, araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Minisitra, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis.

Hisorohana ny voka-dratsy ateraky ny fisotroana alikaolo tafahoatra, hahazoana fiaraha-monina vanona sy vahoaka salama dia nisy ny atrikasa niarahan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (OFNALAT) sy ny « OMS » ary ireo « ONG » maro izay miantsehatra amin’izany, ny Talata faha-10 novambra 2020 lasa teo, teny amin’ny Sahamadio Ilafy.

Sary sy Fampitam-baovao: OFNALAT/SG/MSANP