Mitohy ny ady amin’ny Covid-19, ary tsy manao ambanin-javatra izany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay mitarika ny vovonana ankehitriny. Mila tohizana ny Fahombiazana azo vokatry ny paikady noraisin’ny Fitondram-panjakana araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitra, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis. Asa avy hatrany izy ity fa tsy kabary, ary lohalaharana amin’izany ny fampitaovana ny Mpiasan’ny Fahasalamana sy ireo Tobim-pahasalamana.
Ny talata 10 Novambra 2020 teo no nanomboka ny fanaterana ireo fitaovana ara-pahasalamana any amin’ny Faritra sy Distrika ara-pahasalamana maro manerana an’i Madagasikara (DIANA, SOFIA, SAVA, BOENY, ATSINANANA, ALAOTRA MANGORO, ANALAMANGA , VAKINANKARATRA, MATSIATRA AMBONY, IHOROMBE, ATSIMO ANDREFANA, ANDROY)
Raha ny ilany atsimon’ny Nosy iny no hojerentsika manokana dia isan’ireo nisitraka izao fampitaovana izao omaly Alarobia 12 Novambra 2020, ny CHRD1 Ambohimahasoa, ny CSB Morafeno, CHU Andrainjato ary CHRR Tambohobe ao amin’ny Faritra Matsiatra ambony, araka ireo hitantsika amin’ny sary eo ambany ireo.
Tsara ny manamarika fa vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Governemanta Japoney sy ny UNFPA no nahafahana nanatanteraka izao hetsika goavana hitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka izao.
Sary sy Fanadihadiana : DirCom/SCM-MSANP