Sambany taty Afrika no nisy hetsika toy ny lanonana notanterahana tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena androany 13 Novambra 2020.
Tanjona araka ny velirano fahadimy nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA tamin’ny vahoaka malagasy ny politika fametrahana fahasalamam-bahoaka mendrika. Ilàna ny fandraisan’andraikitry ny rehetra anefa ny fanatanterahana izany. Koa ao anatin’ny sehatra ny fankalazana ny Andro manerantany iadiana amin’ny diabeta, dia nandresy lahatra ny teo anivon’ny Antenimierampirenena ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Vondrona Iraisampirenena misahana ny Fahasalamana (OMS) ary ny AMADIA androany hiara-hisalahy aminy manoloana ny fisorohana ireo aretina mitarazoka sy tsy mifindra ka tononina manokana amin’izany ny diabeta. Natao ny fangatahana fiaraha-mientana toy izao satria ireo solombavambahoaka ireo dia anisan’ireo mpiantsehatra eny anivon’ny fiarahamonina ka afaka ny hifanerasera mivantana amin’ny vahoaka.
« Manoratra ny tantara miaraka isika » hoy Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis satria azo antoka tokoa fa hiantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka izao fiarahamiombon’antoka izao.
Tetsy ankilany, naneho ny fahavononany hiantsoroka izao adidy masina amin’ny tanindrazana izao ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, RAZANAMAHASOA Christine sy ireo avy amin’ny Birao maharitra ny Solombavambahoaka Dr Lova Rajaobelina Herizo izay filohan’ny Komisiona fahasalamana ary ireo Solombavambahoaka maro.
Nisy moa ny Diabe (Diabete walk) na dia an-tongotra manodidina ny lapa izay nandraisan’ny rehetra anjara. Nofaranana tamin’ny fitiliana diabeta ireo solombavam-bahoaka sy mpiasa eo anivon’ny Antenimierampirenena izay niarahana tamin’ny AMADIA ity fotoan-dehibe ity.
Sary sy fanadihadiana: DirCom/SCM-MSANP