Mitohy ary mihamafy hatrany ny fifandraisantsika amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny, amin’ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana ary indrindra amin’ny ady amin’ny valanaretina covid-19 izay atrehantsika izao.
Tontosa io maraina io teny amin’ny tokotaniben’ny Hôpitaly HJRA Ampefiloha ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovam-pitsaboana sy kojakoja ilain’ny mpiasan’ny fahasalamana hanomezana tolotra ara-pahasalamana mendrika ho an’ny vahoaka.
Faritra 15 manerana an’i Madagasikara no hisitraka izany dia ny faritra Alaotra Mangoro , Analamanga , Atsimo Andrefana , Androy , Atsinanana , Betsiboka , Boeny , Sofia , Diana , Sava , Haute Matsiatra , Ihorombe , Vakinankaratra , Vatovavy Fitovinany ary Menabe.
Mpiasan’ny fahasalamana miisa 661 no novatsiana fitaovana sy akanjo fiarovana. Hopitaly miisa 53 sy Tobimpahasalamana 318 ihany koa no hahazo tombony amin’izao fiarahamiasa amin’ny Governemanta Japoney sy ny UNFPA izao.
Nanome voninahitra ny fotoana androany, Andriamatoa Ministry ny Fahasalamana, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, ny Masoivohon’ny Japana miasa sy monina eto amintsika ary ny lefitry ny Solontena maharitry ny UNFPA eto Madagasikara.
« Ny fiaraha-miasa toy izao dia azo antoka fa miantraika mivantana any amin’ny sosialim-bahoaka » hoy Andriamatoa Minisitra.
  
Ankoatra ireo, fitaovana sy kojakoja miisa 3.025 no homena ireo vehivavy hiatrika fiterahana. Toeram-pitsaboana miisa 5 any amin’ireo toerana tena saro-dalana no nahazo « moto » hahafahan’ireo mpiasan’ny fahasalamana manatanteraka tsara ny asany.
Azo tsapain-tànana ary mizotra tsara tokoa ankehitriny ny fanatanterahana ny velirano fahadimy nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny vahoaka malagasy, dia ny ahazoan’ny isam-batan’olona misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao, indrindra fa ny reny sy ny zaza.
Tsiahivina fa nanomboka ny Talata faha-10 Novambra lasa teo ny fitsinjarana ireo fitaovana rehetra ireo manerana ny faritra sy distrika maro eto amintsika.
Sary sy Fanadihadiana : DirCom/SCM-MSANP