Manga ny lanitra mikasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana sy ireo sehatra tsy miankina amin’ny fanatsaràna ny fahasalaman’ny vahoaka eny ifotony.
Tontosa omaly 17 nôvambra 2020 ny fitokanana ny CSB II MAHAZAZA, ao amin’ny Kaomina Ambanivohitra Antanetibe Mahazaza, Distrikan’ Ambohidratrimo. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ny « ONG Madagascar HILFE », ny « Association ANAMED » ary ny Kaomina Mahazaza, ao anatin’ny Programa « SALAMA BNI » izay iandraiketan’ny « Fondation Axian » ary vatsian’ny Banky « BNI Madagascar » vola.
Mponina manodidina ny 12.000 any ho any no hisitraka ity CSB II vaovao sy ari-fitaovana ity, izay manana efitra fito (07) ary ahitana efitrano fampiterahana.
Nanome voninahitra ny fitokanana andriamatoa Tale Jeneralin’ny Famatsiana ara-pahasalamana (DGFS), izay nisolo-tena an’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis. Nanotrona azy tamin’izany ireo olomboafidy sy manampahefana isa-tsokajiny any an-toerana.
Veliranon’ny Mpitondra ankehitriny ny hanome fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka, irariana ny hitomboan’ny fiaraha-miasa toy izao ho maodely tsara fankan-tahaka amin’ny fanasoavana ny fahasalamam-bahoaka.
Sary: https://www.facebook.com/FondationAxian