Nitohy androany tany amin’ny Faritra Androy ny dian’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta vitsivitsy tarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian any amin’iny Faritra Anosy sy Androy iny ho fametrahana ny paikady maharitra hamongorana ny tsy fanjarian-tsakafo mpahazo ny mponina amin’iny Faritra Anosy sy Androy iny. Politikam-panjakana izay imasoan’ny mpitondra ankehitriny araka ny Veliranon’ny Filohampirenena RAJOELINA Andry.
Nisy ny atrikasa notarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian sy ireo mpikambana anivon’ny Governemanta niaraka taminy tao amin’ny trano malalaky ny Faritra Androy niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony tany an-toerana.
Nitsidika ny CRNM (Centre de Récupération Nutritionnelle et Médicale) tao Ambovombe Androy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, izay nanomezany toro-marika ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fandraisany ireo ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo araka ny fanajàna ny maha olona sy fanomezana fitsaboana mendrika azy ireo.
Sary sy fampitam-baovao : DRS Androy