Miara-dalana amin’ny Delegasiona izay tarihin’ Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta mitsidika ny Faritra Atsimon’ny Nosy iny, Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis.
Taorian’ny fahatongavana dia nisy avy hatrany ny « séance de travail » niarahana tamin’ ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta tao Amboasary.
Nifandimby nandray fitenenana teto ny Minisitra tsirairay nitantara ny anjara asa vitan’ny Ministerany amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Ho an’ ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manokana dia nilaza Andriamatoa Minisitra fa ny mpiasan’ny fahasalamana dia mandray an-tanana ireo ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo tampoka mahery vaika misy na tsy misy fahasarotana. Araka izany, ankoatra ny fitsirihana isa-tokantrano sy isam-pokotany ireo olona izay iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo dia nisy ihany koa ny fanokafana ireo « Centre CRNM » tao Ifotaka, Amboasary, ny fametrahana Dokotera any Tsivory. Nanao antso avo Andriamatoa Ministra ho an’ireo Dokotera izay mazoto hiasa ao Amboasary fa misy « poste budgétaire » ho an’ izany.
Sary sy Fampitam-baovao: DRSP Anosy