Notanterahina tany Antsirabe, nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity ary nifarana omaly Zoma faha-20 novambra 2020 ny atrik’asa nentina nijerena ireo paik’ady handrindràna sy hanatsaràna ny fizarana faobe Lay misy odimoka maharitra amin’ny taona 2021.
Vahoaka maherin’ny 21.739.652 any no vinavinaina hisitraka mivantana ny fizarana io lay misy odimoka io amin’ny Taona ho avy araka ny toromarika avy amin’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, ho fanatanterahana ny veliranon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia ny hanomezana fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka.
Mpiara-miombon’antoka maro no mifanome tanana amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’izany izay ahitana ny USAID PMI, ny OMS, ary ny Global Found…
Malagasy tsy ho fatin’ny tazomoka, manasa anao am-panajana hanaraka ny fanazavana iarahana amin’ i Dr ANDRIAMANANJARA Nambinisoa Mauricette, Mpandrindra Nasiônalin’ny ady amin’ny Tazomoka eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Horonantsary sy Fanadihadiana: DirCom/SCM-MSANP