Ny faran’ny herinandro teo dia nidina ifotony nijery ny zavamisy sy ny dingana efa vita manoloana ny kere izay misy any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara iny ny delegasiona notarihin’ny Praiministra, Lehiben’ny governemanta, NTSAY Christian.
Anisan’ireo delegasiona niaraka taminy tamin’izany, Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis.
Ho fitadiavam-bahaolana maharitra manoloana izao kere mahazo ny havana any atsimo izao dia nisy ny fandaminan’asa vaovao noraisina.
Tapaka ary fa hapetraka ao Amboasary ny « COC » na « Centre Opérationnel de Coordination » izay ho eo ambany fitarihan’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena.
Io foibe io no hibaiko sy handrindra ny asa rehetra izay atao ao amin’ny distrikan’Amboasary. Hanana solontena ao anatin’izany ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo ratsa-mangaikan’ny fitondrana.
Hatsangana ihany koa ny « CRNM » na « Centre de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale », izay hiasa mandava-taona. Araka izany anarany izany dia ao amin’ity toerana ity no handraisana an-tanàna maharitra ireo olona iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, ao ihany koa ny hanaraha-maso ny fahasalamana sy hitsaboana azy ireo, ankoatr’ireo tolotra ara-pahasalamana izay atolotr’ireo CSB 2 miisa 18 any an-toerana.
Tapaka ihany koa hasiana “Banque alimentaire” eo akaikin’io « CRNM » io, izay hitahirizana sakafo, hanampiana ireo izay ianjadian’ny olana ara-tsakafo rehefa main-tany.
Tsara ny manamarika fa afaka manatona io « CRNM » io mandava-taona ireo olona misedra fahasahiranana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana.
Ankoatra an’Amboasary dia hapetraka ao Ambovombe, Tsihombe, Beloha, ary Ampanihy ihany koa ny CRNM.
Sary sy fampitam-baovao: DRSP Androy