Nanomboka omaly ary hifarana ny faha 17 desambra 2020 ho avy izao. Fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny SALFA FLM.
Angady nananàna izao fitsaboana mitsinjo vahoaka izao moa Ramatoa « Médecin Inspecteur » Fandriana, Ramatoa Tale-paritra ny fahasalamana Amoron’i Mania ary Ramatoa Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Fandriana.
Izay tsy mahay sobika, mahay fatam-bary, misokatra ary vonona amin’ny fiaraha-miasa hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy misy fiantraikany mivantana any amin’ny vahoaka toy izao, araka ny toromarika averimberin’ Andriamatoa Minisitra, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis matetika amin’ireo Tompon’andraikitra samihafa eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay eo ambany fitantanany.
Izany dia ho fanatanterahana ny Velirano fahadimin’ny Mpitondra Fanjakana ankehitriny sy ho fampiharana ireo sori-dalana voasoritra ao anaty « PEM ».
Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka.
#MSANP eo anilan’ny vahoaka hatrany!