Androany 22 desambra no andro fanamarinana ho Sakaizan’ny WASH ny Tobimpahasalamana eny anivon’ny kaominina Andoharanofotsy. Maro tokoa ny dingana efa nolalovan’izy ireo vao tody soa amin’izao andro anio izao. Koa tsara ny mampahafantatra fa ny paikady “Toeram-pitsaboana ifotony Sakaizan’ny WASH “ dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny “fampielezana ny fanabeazana ara-pidiovana tanterahan’ny WASH” izay tarihan’ny Sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ao amin’ny Foibe-pitantanana misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nanatrika izany fankatoavana izany moa ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean-Louis ka nomarihany tamin’ny fandraisam-pitenenany fa ny hetsika dia fanatanterahana hatrany ny velirano fahadimy napetraky ny Filoham-pirenena izay mampanantena ny “Fahasalamana ho an’ny Daholobe”. Fiarahamiasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Water & Sanitation for the Urban Poor no nahazoana nanatanteraka ny hetsika.

Nombreuses sont les étapes que le CSB Ami de WASH de la Commune Andoharanofotsy a dû faire face avant de pouvoir fièrement mériter ce titre et célébrer avec honneur cette journée de certification et de labellisation qui s’est déroulée ce jour. Rappelons que la Stratégie “ CSB Ami de WASH”, sous la supervision du Service de Santé et Environnement au sein de la Direction de la Promotion de la Santé, est issue de la campagne d’éducation basée sur l’hygiène WASH . Lors de son allocution, le Ministre de la Santé Publique, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis a souligné que cet événement s’aligne à la réalisation du cinquième point du Velirano du Président de la République, promettant “La santé pour Tous”. Grâce aux efforts fournis par cette infrastructure sanitaire, les offres de soins de santé sont améliorées davantage. La tenue de cet événement est le fruit d’une étroite collaboration avec le Ministère de l’Education Nationale et de Water and Sanitation for the Urban Poor.