Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia faly miarahaba antsika rehetra nahatratra izao faran’ny taona 2020 izao ary mirary antsika hanao fety Finaritra, samia ho tratry ny Taom-baovao 2021 avokoa.
Ho fitsinjovana sy fanampiana amin’ny fiatrehana izay fety izay indrindra dia notolorana vary 25 kg sy menaka 1litatra isan’ olona ireo Mpiasan’ny fahasalamana eto anivon’ny Ministera Foibe.
Izany no tanteraka noho ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ Andriamatoa Minisitra mivady sy ireo Mpiara-miombonan’antoka avy eto an-toerana sy avy any dilambato izay tolorana fisaorana mitafotafo etoana.
Nandritra ny fihaonana omaly teto Ambohidahy no nanombohana izao fanolorana izao. Araka ny fandaminana dia mitohy androany ny fizarร na ary asesy isaky ny fitaleavana.
Sary sy Fanadihadiana: DirCom/SCM-MSANP