Fividianana fanafody,fitaovana, ary ireo kojakoja entina miaro tena (EPI), ireo taminβny ankapobeny no niompananβny famoaham-bolanβny Ministeranβny fahasalamam-bahoaka, taminβny alalanβny βππ§π’ππΜ ππ ππ¨π¨π«ππ’π§πππ’π¨π§ πππ¬ ππ«π¨π£πππ¬ (πππ)β, nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, nanomboka taminβny taon-dasa ka hatraminβizao. Araka ny fanazavanβny Mpandrindra Nasionalinβny UCP, RAKOTOVAO Alain.
Ny antsasany mahery aminβio tetibola io no efa nampiasaina ary midika izany, fa mbola misy ny teti-bola hahafahana miatrika ny valanβaretina ankehitriny, izay tsy mbola tapitra hatreto.
Nanao tatitra mikasika indrindra ny nampiasana ireo vola ireo ny teo anivonβny UCP omaly teny aminβny Foibeny eny Ambohimiandra.
Voalaza nandritra izany fa βAmbulanceβ miisa 22 no novidianβny Ministera hatraminβny taon-dasa ary efa naparitaka manerana anβi Madagasikara. Teo koa ireo βConcentrateur dβoxygΓ¨neβ miisa 1 200 mahery, ireo fandriana miisa 2 000 izay naparitaka manerana ny CTC-19. Nisy koa ny fividianana βsur-blouseβ maherinβny 1 tapitrisa, βMasqueβ 800 000 isa izay nampiasainβny mpiasanβny fahasalamana.
π
π’πππ¨π―ππ§π π§ππ‘ππππ‘π-π§π’ππ’π₯π²
Novidiana manokana koa ireo fitaovana fakana singa sy ireo βreactif de laboratoireβ. Izany hoe ireo kojakoja nahafahana nanao fitiliana sy namoahana ny tahanβireo olona voamarina fa nitondra ny tsimokaretina covid-19 teto amintsika.
Ireo fitaovana fanaovana fitiliana ireo izay nalefa teny aminβny LA2M ary ity farany indray avy eo no nanaparitaka izany. Anisanβny nisitraka azy ireny ny teny aminβny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy be.
Ankoatra izay, an-tapitrisany ireo fanafody novidiana. Isanβizany ny βAzithromycine, paracetamol, vitamin C, MagnΓ© B6β. Nisy koa ny fividianana ireo Β« radiographie numΓ©rique Β» miisa 25, sy ireo Β« respirateurs Β» miisa 130.
ππ«ππ¨ ππ’πππ¨π―ππ§π π‘π¨π―π’ππ’ππ§π
Nilaza ny tomponβandraikitra eo anivonβny UCP fa Β« Ambulance Β» miisa 65 no mbola hovidiantsika. Misy koa ny Β« Genexpert Β» alefa eny anivonβny Distrika izay tsy manana Β« laboratoire dβanalyse Β» mba hahafahana manao fitiliana eo an-toerana ihany. Miisa 10 ireo Β« Genexpert Β» ho avy hatraminβny volana Jolay fara fahatarany. Ankoatra izay, misy βGenexpertβ 40 mbola hoavy ao anatinβny fiarahamiasa mpiara-miombonβantoka, araka ny fanazavana hatrany.
Fanampinβizay dia hisy ihany koa ny fanamboarana sy fanatsarana ireo βgΓ©nΓ©rateur dβoxygΓ¨neβ eny anivonβny Hopitaly.
Izao fampitaovana izao moa dia tafiditra ao anatinβny fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto amintsika (Renforcement du systΓ¨me de santΓ©).
Tsapa araka izany fa na dia eo aza ny fidinananβny tahanβny olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 dia tsy manao ambanin-javatra ny Fahasalamam-bahoaka ny Fitondram-panjakana aminβny alalanβny Ministeranβny Fahasalamana sy ireo mpiara-miobonβantoka aminy fa manohy ny hatrany ireo ezaka efa natomboka handresentsika miaraka izao valanaretina izao.


πππ«π² π¬π² πππ§πππ’π‘πππ’ππ§π: πππ/ππ’π«ππ¨π¦-πππππ