Fividianana fanafody,fitaovana, ary ireo kojakoja entina miaro tena (EPI), ireo taminโ€™ny ankapobeny no niompananโ€™ny famoaham-bolanโ€™ny Ministeranโ€™ny fahasalamam-bahoaka, taminโ€™ny alalanโ€™ny โ€œ๐”๐ง๐ข๐ญ๐žฬ ๐๐ž ๐‚๐จ๐จ๐ซ๐๐ข๐ง๐š๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐ž๐ฌ ๐๐ซ๐จ๐ฃ๐ž๐ญ๐ฌ (๐”๐‚๐)โ€, nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, nanomboka taminโ€™ny taon-dasa ka hatraminโ€™izao. Araka ny fanazavanโ€™ny Mpandrindra Nasionalinโ€™ny UCP, RAKOTOVAO Alain.
Ny antsasany mahery aminโ€™io tetibola io no efa nampiasaina ary midika izany, fa mbola misy ny teti-bola hahafahana miatrika ny valanโ€™aretina ankehitriny, izay tsy mbola tapitra hatreto.
Nanao tatitra mikasika indrindra ny nampiasana ireo vola ireo ny teo anivonโ€™ny UCP omaly teny aminโ€™ny Foibeny eny Ambohimiandra.
Voalaza nandritra izany fa โ€œAmbulanceโ€ miisa 22 no novidianโ€™ny Ministera hatraminโ€™ny taon-dasa ary efa naparitaka manerana anโ€™i Madagasikara. Teo koa ireo โ€œConcentrateur dโ€™oxygรจneโ€ miisa 1 200 mahery, ireo fandriana miisa 2 000 izay naparitaka manerana ny CTC-19. Nisy koa ny fividianana โ€œsur-blouseโ€ maherinโ€™ny 1 tapitrisa, โ€œMasqueโ€ 800 000 isa izay nampiasainโ€™ny mpiasanโ€™ny fahasalamana.
๐…๐ข๐ญ๐š๐จ๐ฏ๐š๐ง๐š ๐ง๐š๐ก๐š๐Ÿ๐š๐ก๐š-๐ง๐ข๐ญ๐ข๐ฅ๐ฒ
Novidiana manokana koa ireo fitaovana fakana singa sy ireo โ€œreactif de laboratoireโ€. Izany hoe ireo kojakoja nahafahana nanao fitiliana sy namoahana ny tahanโ€™ireo olona voamarina fa nitondra ny tsimokaretina covid-19 teto amintsika.
Ireo fitaovana fanaovana fitiliana ireo izay nalefa teny aminโ€™ny LA2M ary ity farany indray avy eo no nanaparitaka izany. Anisanโ€™ny nisitraka azy ireny ny teny aminโ€™ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy be.
Ankoatra izay, an-tapitrisany ireo fanafody novidiana. Isanโ€™izany ny โ€œAzithromycine, paracetamol, vitamin C, Magnรฉ B6โ€. Nisy koa ny fividianana ireo ยซ radiographie numรฉrique ยป miisa 25, sy ireo ยซ respirateurs ยป miisa 130.
๐ˆ๐ซ๐ž๐จ ๐Ÿ๐ข๐ญ๐š๐จ๐ฏ๐š๐ง๐š ๐ก๐จ๐ฏ๐ข๐๐ข๐š๐ง๐š
Nilaza ny tomponโ€™andraikitra eo anivonโ€™ny UCP fa ยซ Ambulance ยป miisa 65 no mbola hovidiantsika. Misy koa ny ยซ Genexpert ยป alefa eny anivonโ€™ny Distrika izay tsy manana ยซ laboratoire dโ€™analyse ยป mba hahafahana manao fitiliana eo an-toerana ihany. Miisa 10 ireo ยซ Genexpert ยป ho avy hatraminโ€™ny volana Jolay fara fahatarany. Ankoatra izay, misy โ€œGenexpertโ€ 40 mbola hoavy ao anatinโ€™ny fiarahamiasa mpiara-miombonโ€™antoka, araka ny fanazavana hatrany.
Fanampinโ€™izay dia hisy ihany koa ny fanamboarana sy fanatsarana ireo โ€œgรฉnรฉrateur dโ€™oxygรจneโ€ eny anivonโ€™ny Hopitaly.
Izao fampitaovana izao moa dia tafiditra ao anatinโ€™ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto amintsika (Renforcement du systรจme de santรฉ).
Tsapa araka izany fa na dia eo aza ny fidinananโ€™ny tahanโ€™ny olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 dia tsy manao ambanin-javatra ny Fahasalamam-bahoaka ny Fitondram-panjakana aminโ€™ny alalanโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamana sy ireo mpiara-miobonโ€™antoka aminy fa manohy ny hatrany ireo ezaka efa natomboka handresentsika miaraka izao valanaretina izao.
๐’๐š๐ซ๐ฒ ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐๐ข๐ก๐š๐๐ข๐š๐ง๐š: ๐’๐‚๐Œ/๐ƒ๐ข๐ซ๐‚๐จ๐ฆ-๐Œ๐’๐€๐๐