Ny avy ao amin’ny CNSS na ny Tahirim-pirenena fifampitsimbinana ho an’ny fahasalamana no nitatitra ireo zava-bita ny herinandro lasa sy ireo kinasa ho amin’ny herinandro ho avy nandritra ny fananganan-tsaina teto anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka io maraina io.

ยซย Tsy eken’ny Minisitera ny tsy fisian’ny fanafody any amin’ireo Tobimpahasalamana. Tsy ekena ihany koa ny famarotana ireo fanafody izay tokony omena maimaim-poana ny vahoaka Malagasyย ยป. Io no ambetin-tenin’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof.RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis manoloana ny fikaikaikan’ny vahoaka amin’ny resaka fanafody eny anivon’ny Tobimpahasalamana. Nijery ifotony ny mahakasika izay ny tenany ny herinandro lasa teo. Nijery ny tao Salama izy, nandalo tao amin’ny Phagedis, ary tonga hatrany amin’ireo CSB. Misy hoy izy ireo fanafody izay tokony andoavam-bola fa misy kosa ireo maimaim-poana, anisan’izany ny fanafody mahakasika ny fandrindram-piterahana sy ny tazomoka.

Any Atsimo no hanombohana ny paik’ady napetraka ho an’ny fandrindram-piterahana ary hipร ka manerana an’i Madagasikara hoy hatrany ny Minisitra tompon’andraikitra.

Mahakasika ireo lay misy odimoka maharitra izay naparitaka manerana ireo faritra maro eto Madagasikara entina hiadiana ny tazomoka dia nanantitrantitra Andriamatoa Minisitra fa hanara-maso akaiky ny fahatongavan’ireo fitaovana ireo any amin’ireo faritra tokony hisitraka izany.

Manoloana ny ady amin’ny valanaretina Coronavirus, mitohy ny ady, hisaorana manokana ireo Mpiasan’ny fahasalamana. Efa manara-maso akaiky ny fivoaran’ilay variant Delta ny eto anivon’ny Minisitera tompon’andraikitra ary efa mipetraka ireo paik’ady. Marina fa mihavitsy ireo tranga vaovao fa saingy kosa mila miomana hatrany isika hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Manara-maso akaiky hatrany ny fivoaran’ny Covid eto Madagasikara sy maneran-tany ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka.