Tsy nisy ny aina nafoy, miisa roa (02) ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 taminโ€™ireo olona miisa 173 nanaovana fitiliana. Mitotaly 16 ireo sitrana ary 31 ireo maneho tranga misy fahasarotana.

Analamanga. Teto aminโ€™ny faritra Analamanga no nahitana ireo olona roa vaovao voamarina fa nitondra ny tsimokaretina covid-19 ireo ary efa misy ny fandraisana an-tanana ataonโ€™ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeranโ€™ny fahasalamam-bahoaka nanapahana ny rojom-pifindrana na ny ยซ chaรฎne de transmission ยป. Mbola mitohy hatrany araka izany ny ยซ tracing contact ยป sy ny ยซ opรฉration coup de poing ยป araka ny fampitam-baovao voaray avy aminโ€™ i Dr Lalie RAHARIMAMONJY, Talenโ€™ny Fitaleavam-paritra misahana ny fahasalamana Analamanga.