ยซ Genexpert ยป 30 isa miaraka aminโ€™ny ยซ rรฉactif ยป no ho aparitaka any aminโ€™ny distrika; ยซ tunnel de dรฉsinfection ยป 10 ho apetraka eny seranam-piaramanidina aminโ€™ny Faritra izay manana izany.

Tsy manao ambanin-javatra ny fahasalamam-bahoaka ary manaramaso akaiky ny fivoaranโ€™ny valanaretina covid-19 eto amintsika araka izany ny Fitondram-panjakana ankehitriny aminโ€™ny alalanโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpiaramiombonantoka aminy izay ahitana ny ยซ Banque Mondiale ยป.

Tohizana ny ezaka. Na dia hita taratra aza ny fihenanโ€™ny olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 dia tohizana hatrany ny ezaka efa natomboka araka ny toromarika avy aminโ€™ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ho fanatanterahana ny velirano fahadimy. Ny fitiliana mialoha ireo tranga mampiahiahy tokoa mantsy no anisanโ€™ny fomba iray hanapahana ny rojom-pifindrana; izany hoe hisorohana ny fiparitahanโ€™ny valanaretina sy handraisana ara-potoana ireo izay mitondra ny tsimokaretina.

Genexpert miisa 20 mbola ho avy.ย Tsara ny mampahafantatra fa mahatratra 50 ireo ยซ Genexpert ยป nafarana miaraka aminโ€™ny ยซ rรฉactif ยป 61.300 isa izay hoentina hitiliana ny ยซ coronavirus ยป, mbola misy 20 isa araka izany ireo ยซ Genexpert ยป mbola ho avy raha ny nambaranโ€™ andriamatoa MAHAVITARA Sylvestre, Tomponandraikitry ny tsenambaro-panjakana eo anivonโ€™ny UCP ny Alatsinainy 19 jolay 2021 lasa teo teny aminโ€™ny toerana fitahirizanโ€™ entanโ€™ny UCP Ambohimiandra.