Tanjon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny araka ny Velirano fahadimy ny hanome “fahasalamana ho an’ny rehetra ary tsy anavahana sokajin-taona”. Anisan’ireo paikady entina manatanteraka izany ny fizarana faobe lay misy odimoka maharitra toy izao, ary ny hananan’ ny isan-tokantrano tsirairay izany, ahazoana miaro ny ankohonana amin’ny aretina tazomoka.

Hita taratra tokoa araka izany ny fahavononan’izao Fitondram-panjakana izao amin’ny fanatsaràna ny fahasalamam-bahoaka. Tanjona napetraka amin’ity andiany 2021 ity ny ahazoan’ny 85% n’ny mponina eto Madagasikara hisitraka sy hampiasa io lay misy odimoka vaovao io.

Lay misy odimoka maharitra izay nahazo fankatoavana avy amin’ny Fikambanambe iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS) fa anisan’ireo fomba mahomby hampihenana ny taham-pahafatesana ateraky ny aretina Tazomoka.

Fantaro ary fa mihoatra ny dimy ambin’ny folo tapitrisa (15 000 000) ny lay misy odimoka maharitra hozaraina mandritra ity andiany fahadimy ity, ary mponina mihoatran’ny roa amby roapolo tapitrisa (22 000 000) no hisitraka mivantana izany manerana ny distrika 101, ao anatin’ny Faritra 21 izay ahitana tazomoka betsaka indrindra, ankoatra ny Faritra Itasy sy ireo distrika vitsivitsy any Afovoantany.

Omaly 24 aogositra 2021, tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano no nanatanterahana ny hetsika fanombohana ofisialy ny fizaràna maimaimpoana Lay misy odimoka maharitra izay teo ambany fitarihan’ Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, NTSAY Christian ary notronon’ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta, anisan’ izany Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.