Fiaraha-miasa ho fanatsarΓ na ny Fahasalamam-bahoaka
Tontosa androany Zoma 27 Aogositra 2021 tao aminβny efitrano fivorianβny Ministeranβny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy ny fanaovan-tsonia ho fanavaozam-piaraha-miasa eo aminβny Fanjakana Malagasy aminβny alalanβny Ministeranβny Fahasalamam-bahoaka sy ny Governemanta Sinoa , eo aminβny sehatry ny Fahasalamana.
Tao anatinβizany dia nanolotra fitaovam-pitsaboana sy fanafody ho anβny Ministeranβny Fahasalamam-bahoaka ny Governemanta Sinoa ho fanamafisana ny rafi-pahasalamana, sy ho fampivoarana ny lafiny fitsaboana nentim-paharazana.
Misionera 5 notolorana mari-boninahitra Β« Ordre de mΓ©rite Β»
Teo ampanokafana ny lanonana, dia notoloranβ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam βbahoaka, mari-boninahitra Β« Ordre de mΓ©rite Β» avy aminβny Fanjakana Malagasy ny andiany faha-22 aminβireo misionera Sinoa miisa dimy, rehefa avy nanatanteraka ireo andraikitra nosahaniny nandritranβny roa taona teto Madagasikara.
Naneho ny fisaorana sy fankasitrahana azy ireo taminβny anaranβny Fitondram-panjakana Malagasy, Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ary nanome toky fa ho atao mangarahara sy mitovy lenta ny fitantanana sy ny fizarana ireo fitaovana ireo.
Mitohy hatrany araka izany ny ezaka ataonβny Fitondram-panjakana ankehitriny aminβny fanatsarΓ na ny Fahasalamam-bahoaka.