Fiaraha-miasa ho fanatsarร na ny Fahasalamam-bahoaka

Tontosa androany Zoma 27 Aogositra 2021 tao amin’ny efitrano fivorian’ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy ny fanaovan-tsonia ho fanavaozam-piaraha-miasa eo aminโ€™ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Governemanta Sinoa , eo aminโ€™ny sehatry ny Fahasalamana.

Tao anatinโ€™izany dia nanolotra fitaovam-pitsaboana sy fanafody ho anโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka ny Governemanta Sinoa ho fanamafisana ny rafi-pahasalamana, sy ho fampivoarana ny lafiny fitsaboana nentim-paharazana.

Misionera 5 notolorana mari-boninahitra ยซย Ordre de mรฉriteย ยป

Teo ampanokafana ny lanonana, dia notoloranโ€™ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam โ€“bahoaka, mari-boninahitra ยซย Ordre de mรฉriteย ยป avy aminโ€™ny Fanjakana Malagasy ny andiany faha-22 aminโ€™ireo misionera Sinoa miisa dimy, rehefa avy nanatanteraka ireo andraikitra nosahaniny nandritranโ€™ny roa taona teto Madagasikara.

Naneho ny fisaorana sy fankasitrahana azy ireo tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana Malagasy, Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ary nanome toky fa ho atao mangarahara sy mitovy lenta ny fitantanana sy ny fizarana ireo fitaovana ireo.

Mitohy hatrany araka izany ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny fanatsarร na ny Fahasalamam-bahoaka.