Mitohy hatrany ny ezaka efa natomboka aminโ€™ny fanatsarร na ny kalitaonโ€™ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka sy ny tontolo iasanโ€™ny mpiasanโ€™ny fahasalamana.
Izany dia tafiditra ao anatinโ€™ny fanatanterahana ny politika ankabobenโ€™ny Fanjakana mikasika ny fahasalamam-bahoaka sy ny velirano fahadiminโ€™ Andriamatoa Filohanโ€™ny Repoblika, Andry RAJOELINA.
Ny Talata 14 septambra 2021 lasa teo dia nitsidika ny CHRR Fenoarivo Atsinanana ao aminโ€™ny Faritra Analanjirofo, andriamatoa Tale Jeneralinโ€™ny Famatsiana ara-pahasalamana (DGFS), Dr RAZAFIMAHATRATRA Rado. Nisy ny fihaonana nihainoana ny hetahetanโ€™ireo mpiasanโ€™ny fahasalamana any an-toerana sy nizarร na ny laharaham-pahamehanโ€™ny Ministeranโ€™ny fahasalamam-bahoaka ankehitriny.
Anisanโ€™izany ny ady aminโ€™ny kolikoly, ny fanatsarร na ny tolotra ara-pahasalamana aminโ€™ny alalanโ€™ny famatsiana fitaovana, ny fampiharana ny fitsaboana manaja ny mahaolona satria tsy vidiam-bola ny tsiky sy ny haja atolotra ireo tonga misitraka ny tolotra eny anivonโ€™ny Tobimpahasalamana. Tetsy andaninโ€™ izay, nampianarina ihany koa ny marary hanaja ireo lamina napetraka eny anivonโ€™ny Toeram-pitsaboana.
Fantatra nandritra izao fitsidihana izao fa vitsy ny efitra fandraisana marary; tsy ampy ny isanโ€™ny mpitsabo mpandidy ao aminโ€™ny CHRR Fenoarivo Atsinanana ary nampanantena ny Ministera tomponandraikitra fa hijery vahaolana haingana.
Tsara ny manamarika fa ity Hopitalim-paritra ity dia anisanโ€™ ireo manana fitaovana raitra raha tsy hilaza afa-tsy ny ยซ Radiographie numรฉrique, GeneXpert, Electroencephalogramme ยป, ary anisanโ€™ny mampiavaka azy ihany koa ny fananany ยซ espace vert ยป sy toerana fialofana ho anโ€™ireo mpanaraka marary.