ยซ Zo-ny vahoaka ny hisitraka fahasalamana ara-kalitao ary izay no isanโ€™ny antony nanaovana izao ezaka izao mba hanarapenitra ny tolotra ara-pahasalamana omena azy ireoโ€ฆ manentana antsika mpiasanโ€™ny fahasalamana rehetra ary isika Vahoaka hahay hanaja ny foto-drafitrโ€™asa satria na tsara tahaka ny inona aza izy ireny dia rehefa tsy mahay manaja isika dia vetivety dia simbaโ€ฆยป.
Anisanโ€™ny nambaranโ€™ Andriamatoa Minisitra, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ireo nandritra ny fitsidihany ny fandrosoanโ€™ny asa fanitarana ny ยซ services des urgences/ATU ยป etsy aminโ€™ny CHUJRA Ampefiloha ny tolakandron’ny Alakamisy faha 16 septambra 2021 lasa teo.
Santionany ihany izao hitantsika eto Antananarivo izao, fa isaky ny distrika aminโ€™izao fotoana izao dia misy ihany koa ny fananganana CSB Manarapenitra, ary efa mandroso dia mandroso tokoa ny asa mikasika azy ireny.
Mitohy hatrany araka izany ny fanatanterahana ny velirano fahadimy nataonโ€™ny Filohanโ€™ny Repoblika taminโ€™ny Vahoaka Malagasy dia ny hanolorana fahasalamana ho anโ€™ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona. Tsy mikely soroka aminโ€™izany ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka ary vavolombelonโ€™izany izao fanitร rana sy fampanarahana ny fenitra ny ยซ ATU โ€“ CHUJRA ยป izao.