Ady amin’ny Covid-19: Mihagoragora ny fanajana ireo fepetra fiarovana
Tsapa sy hita ankehitriny fa mihagoragora ny fanajana ireo fepetra iadiana amin’ny covid-19. Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manentana ny tsirairay hanaraka ireo toromarika sy fepetra rehetra noraisin’ny Fitondram-panjakana iarovana antsika amin’ny valanaretina Covid-19. Raha tsiahivina dia aretina vaovao ny covid-19, ary izao tontolo izao dia samy mitady ireo fomba iadiana amin’io aretina io avokoa. Anisan’ izany ireo firenena tandrefana sy ireo firenena mandroso.
CVO/CVO + mampitombo ny hery fiarovana
Madagasikara kosa, dia nahita ny COVIDORGANICS CVO izay voka-pikarohan’ny Mpikaroka Malagasy niainga tamin’ny alalan’ny zavamaniry misy eto amintsika, ary nitsaboana ireo Malagasy marobe tratry ny aretina Covid-19. Raha tambavy no endriky ny CVO tany am-piandohana dia efa misy ny endrika ยซย gรฉluleย ยป amin’izao fotoana izao. Voasokajy ao anaty fanafody nentim-paharazana nohavaozina (R.T.A) ny CVO sy ny CVO PLUS. Azo avy amin’ny zavamaniry atao hoe ยซย Artemisia Annuaย ยป amin’ny tahany 68% izay zavamaniry nampidirin’ny Profesora mpikaroka Albert Rakoto Ratsimamanga teto Madagasikara tamin’ ny taona 1975. Vokatry ny fikarohana lalina momba ny ยซย Artemisiaย ยป nandritra ny 44 taona no nahafantarana fa ny COVIDORGANICS CVO + dia mampitombo ny hery fiarovana. Nisy ny fikarohana iraisam-pirenena nanaporofoina ny fiasany izay nataon’ny Institut Max Planck any Potsdam (in-18 nisalotra ny Prix Nobel) izay any Alemana.
CVO+ : Fahombiazana ny ยซย Essais cliniquesย ยป
Ho antsika eto Madagasikara manokana, taorian’ny volana maro nanaovana ยซย Essais cliniquesย ยป (Jolay – Septambra 202O) dia tsapa tamin’ izay fa nahomby hatramin’ny 87,1% ny CVO Plus ยซย gรฉluleย ยป ary ny 70,4% ireo marary ireo dia sitrana tao anatin’ny 14 andro, tsy nisy ny tonga tamin’ny tranga misy fahasarotana (Forme grave). Hatramin’ny nahitana ny CVO dia nandefa izany tany amin’ ireo Fokontany nahitana ny fiakaran’ny tahan’ny tranga Covid-19 ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
CVO+ 10000 Fatra nalefa any Morondava
Koa nanoloana ny fiakaran’ny isan’ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ny distrikan’i Morondava, Faritra Menabe dia CVO + 10.000 Fatra no nalefan’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hitsaboana ireo olona marary any an-toerana araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitra Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ny 20 novambra 2021 lasa teo.
ยซย Aleo misoroka toy izay mitsaboย ยป, ary maro ireo paik’ady noraisina handresentsika miaraka ny valanaretina. Manomboka amin’ny fanentanana amin’ny fampiharana ireo fepetra sakana izany, eo ihany koa ny fanamafisana ny hery fiarovana amin’ny fihinanana sakafo maro loko, ny vitamina, ny CVO, ary taorian’ny fakana ny hevitry ny ยซย Acadรฉmie Nationale de Mรฉdecine de Madagascar- ANAMEMย ยป dia nampidirina ny vaksiny.
Adidiko, adidinao, adidin’ny isam-batan’olona ny miaro ny tenany sy ny manodidina azy.
SCM/DIRCOM-MSANP